jeudi 18 novembre 2010

vaovao gasy 2010 Nov 18 Je

http://mydago.com/wp-content/uploads/2010/11/Conf-press-Ivato-18-nov-10.wma


http://ti1ca.com/avtwqvp3-vij-02-101118-Vaovao-Longo-Hariva-Flash-Info-01-vij_02_101118_Vaovao-Longo_Hariva_Flash-Info_01.MP3.html

http://ti1ca.com/q1he8iid-vij-02-101118-Vaovao-Longo-Hariva-1ere-edition-vij_02_101118_Vaovao-Longo_Hariva_1ere-edition.MP3.html

http://ti1ca.com/n3bxfhte-vij-02-101118-Vaovao-Rindra-Hariva-vij_02_101118_Vaovao-Rindra_Hariva.MP3.html


http://ti1ca.com/ts1im74m-vij-02-101118-Vaovao-Rindra-Atoandro-sy-Feongazety-vij_02_101118_Vaovao-Rindra_Atoandro-sy-Feongazety.MP3.html



Fa anisan’ny nanaitra ny sain’ny mpanao gazety ihany ny nahita ny colonel Toto Vincent, PDS ny Mahajanga teo aloha. Izy indray dia isan’ireo nanamafy “fa kitro ifaharan’ny firenena ny tafika Malagasy, ka ilaina ny fijoroany ho amin’izany”.



Ho an’ny jeneraly Noël Rakotonandrasana indray dia naompany tamin’ny resaka fikaonam-doha nataon’ny miaramila ny lahateniny. “Nisy ny terivozona natao ny miaramila nandritra iny fikaonan-doha iny saingy nijoro izahay. Vokany dia tsy notanterahina mihitsy izay fanapahan-kevitra nandritra izany”.


Isan’ireo nanazava ny maha-zava dehiben’ny fifamelan-keloka kosa ny colonel Coutiti Assolant. “Tsy tokony hamoha fota mandry ny mpitondra, ka hiroso amin’ny fifamelana amin’ny fo madio” hoy izy.



Ny lieutenant colonel Charles kosa indray dia namosaka mazava ny hany tsy zakany nataon’ny TGV azy. “Raha tsy nisy ny Capsat izy, efa tsy hay izay niafarany. Izy efa niafina tany aminn’y masoivoho ny Frantsa. Izany anefa dia isan’ny nampifandrafy anay tafika. Raha nisy ny tena nampisara-bazana ny tafika Malagasy dia ny hetsika tamin'ny 2009 izany”.

Tiana ihany ny manazava ny saintsika mpamaky fa dia noho ny "paik'ady" napetrak'ireto manamboninahitra ireto dia tsy nahazo niditra tany amin'ny toerana nakana ny ITW avokoa ireo mpanao gazety izay nahatratra 30 eo ho eo, avy eto madagasikara sy avy any ivelany. Ny TV PLus sy ny Ma-Tv ary ny gazety Taratra irery ihany no nahazo niditra naka izany fanadihadiana izany. Izy ireo indray avy eo no nanao ny fitsinjarana ny vaovao ho an'ny rehetra.





Aucun commentaire: